Samia mitandrina

 

Mandriaka ny ra manerana ny Nosy. Misy ny matin’ny lozam-pifamoivoizana, misy ny maty noho ny ankasomparan’ny sasany, eo no tapitr’andro ara-boahajanahary. Mahavalalanina ny zava-miseho. Tampokampoka eo, feno filazana manjo ireo tambajotran-tserasera. Ekena fa hoe, tsy misy maty tsy amin’ny lerany izany saingy tsy maintsy lasa ihany ny saina, mirohirohy ny aty fanahy.
Mahakasika ny lozam-pifamoivoizana aloha no handeha horesahina. Mila mitandrina avokoa amin’izao fotoana izao ny mpamily an’ireo fitaovam-pitanterana. Na fiara na moto, eny hatramin’ny bisikileta aza. Tsy mitsitsitsitsy rafahafatesana eny an’arabe rehetra eny. Mila fitandremana lehibe na avy amin’iza na iza. Tsy misy afaka ny hifanilika andrakitra fa tena efa gaboraraka ny zava-miseho.
Mahavariana fa zara raha misy manaja ny lalana mifehy ny fifamoivoizana. Ny tsy manara-dalana indray no mizahozaho sy milaza fa tompon’ny fahefana. Ny tsy mety indray no lazaina fa fenitra tsy maintsy hajaina sy arahana. Raha misy mpandika lalana voakasika na voadona dia manao gisa lahy homan-ketsa indray. Tena mivadika ny rasa! Matimaty fahatany kanefa mbola milaza ho lasibatra.
Tsy natao iampangana na ifanilihana andraikitra ny fitanisana izany. Natao hifanabeazana sy hifanohanana satria aleo misoroka toy izay mitsabo. Iaraha-mahita rahateo ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Toa tsy misy vidiny intsony ny aina. Izay maty dia maty aloha. Ny tompom-pahoriana tsy afa-manao na inona na inona afa-tsy ny mandevina.
Hanipazana teny manokana ihany koa ny mahakasika ny tsy fandriampahalemana izay mahatonga vono olona isan-kazarany. Tena sangy mihoatra ny loha, ary mampiteny ny tsy mahay miteny ny zava-mitranga. Sintomy ny lakolosy dieny izao, satria tena be loatra ny lasibatra tsy satry. Tsy maintsy mijoro Rafanjakana mamaha izany amin’ny fisorohana sy ny famaizana izay tompon’antoka.

r.r

Partager sur: