Notontosaina ny talata sy ny alarobia lasa teo, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des Champions 2025». Efa tsara toerana amin’izany, ny Paris Saint Germain, frantsay, izay nandresy ny Arsenal, anglisy, tany Angleterre, ny talata lasa teo. Nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, kosa ny FC Barcelone, espaniola sy ny Inter Milan, ny alarobia teo.
Hotanterahina, eny Imerikasinina, ny 31 mey ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka amin’ny kodiaran-droa, Moto On Road. Fifanintsanana izay efa somary tsy nisy teto Madagasikara, nandritra ny roa taona lasa izay. Hikarakara izany ny Imerikasinina Motul Trophy sy ny Federasionina Malagasin’ny Motocyclisme.
Hotanterahina any Mahajanga, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanana N1A “Zone Nord”, taranja basikety, ny 10 hatramin’ny 18 mey izao. Efa mamaramparana ny anjarany ihany ny “Zone Centre” any Antsirabe, amin’ity faran’ity herinandro ity.
Hotontosaina ny sabotsy 10 mey izao, eny amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja Judo. Ny sokajy katitakely “Poussins” sy “Benjamins” no hifaninana amin’io andro io, hamoahana izay mendrika eto Analamanga.