Miroborobo fatratra ny fampianarana kabary. Ankizy dia efa hita mikabary… Samy maneho fivelarana ireo raha atao indray mijery. Ary raha hidirana lalindalina kokoa, inona ny zavatra hita ?
Efa tsara raha ny lanonana rehetra hatrehin’ny Malagasy no hitadiavany mpikabary. Mahavelom-bolo, satria, endrika maneho ny fiverenana amin’ny an’ny tena. Manambara fa ho tsara fototra amin’izay ny Malagasy, na mety ho amin’ny ampahany ihany aza. Mikabary ny malama vava. Tahaka izany koa ny be ohabolana. Mikabary ny ankizy sy ny tanora, ny vehivavy, ny lehilahy… Na, tsy fanaon’ny Malagasy loatra aza ny tranga sasany amin’ireo, efa io no misy, dia hatrehina, hoy ny fanazavan’ny mpikabary sasany. Ny an’ny hafa, ota fady tsy azo ekena izany. Ny ankoatra ireo, aleo hikabary ny rehetra fa sokajiana isaky ny sokajin-taona, ny maha lahy na ny maha vavy, ny kabary hataony.
Rehefa hidirana lalindalina kokoa, anefa, ny tena zava-misy. Tsy vitsy amin’ireo lazaina ho mpikabary ireny no tsy mahafantatra ny hevi-teny, ny zava-ponoson’ireny teny ambarany ireny akory. « Miala fondro, miala salohy fito tompoko, raha… », hanontaniana ny tena hevitry ny : « fondro » sy ny « salohy fito », tsy mahafantatra akory. « Ny zaza fito, hono, tsy mahafehy trano, fa ny fanahy fito no mahafehy trano ». Inona ny « zaza », ny « fanahy fito », ny « trano » ? Tsy fantatra ! … Ao anatin’ireo, ohatra, ireo, misy hasina mandehandeha. Inona no atao hoe « hasina » ? Tsy vita ny manazava azy !
… Satria, tsy nianarana sady tsy niainana sy tsy nampiasaina ny teny malagasy, ny fomba malagasy, sns. Ireny, anefa, no fototra tsy azo hialana raha mbola te hiditra eo amin’ny tontolon’ny kabary. Mila hampidirina ho anisan’ny taranja hianarana ao anatin’ny fampianarana kabary misy ankehitriny ireny fototra ireny. Efa misy ihany ny manao izany, saingy, « maivana » sy safosafoina fotsiny. Mila fanarenana lehibe !
HaRy Razafindrakoto