Tapa-bolana nifampitadiavana : Tratra ilay nanolana zaza 8 taona

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy nahavanon-doza nanolana zazavavy vao 8 taona monja, tao Ianakasy, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Vondrozo, ny 29 avrily teo. Nirahan’ny ray aman-dreniny naka anana atao laoka maraina teny an-tsaha io zaza io, tamin’ny 18 avrily lasa teo, tamin’ny 8 ora maraina. Tazan’ny lehilahy iray izy ka nanamparan’io tsy valahara io ny filan-dratsiny. Nody tany amin’ny ray aman-dreniny ilay zaza ary nitaraina ho narary. Nentina teny anivon’ny hopitaly izy ka voamarina fa niharan’ny fanolanana. Nitoroka ny nahavanon-doza nanolana azy io zaza io. Olona eo amin’ny tanàna ihany ilay voatonona anarana. Nandositra ity farany. Nandray fiara nandeha hihazo an’i Farafangana izy araka ny loharanom-baovao voarain’ny zandary, ny 28 avrily teo. Nanao fanakanana sy fisavana ireo fiara mampitohy an’i Vondrozo sy Farafangana ny zandary. Tratra tao anaty fiara io mpanolana io. Niaiky heloka, nentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy.

Tsiferana R.

Partager sur: