Taranja tolona : Lany ho sekretera jeneraly mpanampy R. Mamitiana

Notanterahina ny 28 avrily lasa teo, tany Casablanca, ny fifidianana izay ho filohan’ny taranja tolona eto Afrika, sy izay ho mpikambana vaovao anatin’ny rafitra federaly. Lany ho anisan’ireo anaty birao miasa amin’ity taranja ity, eto Afrika, ary mitazona ny andraikitrin’ny sekretera jeneraly mpanampy Raveloson Ma­mitiana Nestor, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML).
Tsiahivina fa miisa fito izy ireo no hiara-hiasa amin’izany. Araka ny vaovao voaray omaly, i Fouad Meskout, maraokanina, hitantana ny rafitra federalin’ity taranja ity eto Afrika. Lehiben’ny federasiona 30 amin’ny 31 misy eto Afrika no nifidy azy. Ilay kameroney, Urbaine Elise Sissa Mbedy, no voafidy ho filoha mpanampy.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Maroc ny atleta malagasy. Azo antenaina fa hitondra vokatra tsara ireo Malagasy lasa any, satria efa telo volana teo izay izy ireo no nanomana ity fifanintsanana ity, teny amin’ny ANS Am­pefiloha. Raha ny fantatra omaly, nahazo medaly alimo iray ny Malagasy, tamin’ny alalan’i Raphael Lawrence, lehilahy U17. Ankoatra azy ity, miatrika izany any an-toerana ihay koa, i Malala, vehivavy atleta malagasy, efa niatrika ny Lalao Frankofonia 2023 sy ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto Madagasikara farany teo.

Fitia Randria

Partager sur: