TARATRY ny KANTO

« Hikalo ny kanton’i Bessa & Lôla ». Araka ny fanazavana nomen’i Faniry Raelison, iray amin’ireo ha­natanteraka ity seho etsy amin’ny CCEsca Antanimena ny tolakandron’ny 11 mey ity : « 40 eo ho eo ny hira ho hirainay. Ao ireo hira nahafantarana an’i Bessa sy Lôla. Ao ihany koa ireo hira noforoniny ihany koa fa hirain’ny mpanakanto hafa. Ao ny hiran’olon-tokana, ny kaloin’olon-droa… ». Faniry Raelison, Mahery, Nanie, Farakely ary ireo vahiny tsy ampoizina, samy hanolotra ny ha­kanton’ny hiran’i Bessa sy Lôla avokoa.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ireo mpianatra kabary sy dihy ary valiha eo anivon’ny foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Academie ny fanatevenam-pahalalana ivelan’ny sekoly. Fantatra fa hanatontosa izany afaka andro vitsy ry zareo. Mana­na ny lanjany lehibe ny fahalalana ny lamina voajanahary sy ny fahaizan’ny Malagasy mifehy izany, ka anisan’ny omena lanja amin’izao dia izao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Mitohy ny fitetezam-paritra sy fanatanterahina seho miaraka amin’ny Tanora Masina Itaosy. Hihazo ny lalam-pirenena faha-7 ry zareo ny faran’ity herinandro ity, ka hanatanteraka « Ezaka famoahana » ao amin’ny FJKM Kamafa Vatofotsy Antsirabe, ny alahady 4 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Nasaina manokana i Titi Razafindrabe. Ny 29 mey, hiaraka amin’ ny Kanton’ny Fanantenana ao amin’ny FLM Toby Fanantenana 67Ha indray ry zareo.

Partager sur: