Tatitry ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina : “Hisitraka ireo sonia fiaraha-miasa ny faritra rehetra”

Nanao tatitra ny akon’ny fihaonana an-tampon’ny COI sy ny fitsidihan’ny filoha Frantsay, Emmnuel Macron, farany teo ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. “Samy hisitraka ireo fifanarahana fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamin’ny COI sy i Frantsa ny faritra rehetra. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny resaka angovo”, hoy izy tetsy Am­pefiloha, ny alarobia teo. Notanisainy tamin’izany ny fifanarahana momba ny angovo, ny fanabeazana, ny fambolena, ny filatsahana an-tsitrapo. Eo koa ny fifanarahana ara-barotra sy ny momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nambarany tamin’izany koa fa nakana lesona sy traikefa ny nandraisana ireo delegasionina vahiny, afahana miatrika ireo fivoriana iraisam-pirenena mbola hotanterahina eto amintsika. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny volana aogositra izao.
Etsy andaniny, notsiahiviny fa isan’andro ny tombana eo anivon’ny governemanta ary tsy ho azy ireo samirery izany. “Ireo mpitantana isan’ambaratongany koa tafiditra ao anatin’izany avokoa”, hoy ihany ny mpitondra tenin’ny go­vernemanta sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Ankoatra izany, natsidiny fa hatao any Menabe ny andro ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, rahampitso 3 mey. Lohahevitra amin’izany : “Ny fampahalalam-baovao anatin’izao tontolo manahirana izao. Ny fiantraikan’ny Faharanitan-tsaina artifisialy – IA eo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny orinasa fanaovan-gazety”.

Synèse R.

Partager sur: