Tetikasa Otho-SENVH: Vita ny zara tany teny Tsiafahy

Natao omaly ny zara-tany teny amin’ny kaominina Tsiafahy amin’ilay tetikasa “Tany iray, trano iray” ima­soan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana (SENVH), izay tarihin’ny sekreteram-panjakana, Andriamanohisoa Gerard.
Tany mirefy 2 ha no nozaraina ho an’ny olona 96 izay tsara vintana tamin’ny fisarihana natao nandritra ny fisoratana, 2 taona lasa izay.
Natao indrindra ho an’ireo sokajin’olona tsy mba afaka manao findramam-bola be amin’ny banky na manana volabe ividianana tany na trano ny tetikasa fa tena natao ho an’ireo olona tsotra na mpamboly na mpiompy na mpiasam-panjakana na mpiasa tena.
Manorina efitra tokana sy tsotra ao anatin’ny herin-taona ny tompon’ny toerana ary mi­soratra aminy avy hatrany ny tany mirefy 200 m2. Manao ny fanajariana ny fanjakana mametraka ireo fotodrafitrasa fototra toy ny rano sy ny jiro ary ny tsena sy ny tobim-pahasalamana, ny tobin’ny zandary… 150 ny olona mipetraka amin’io toerana io satria tetikasa efa nisy tany amin’ny 20 taona tany aloha ka izao notohizana izao.
Misy tetikasa toy izao koa any akaikin’ny Talata Volo­nondry ary anisan’ny tena goavana satria mirefy 30Ha no hanorenana tanàna vaovao izay lalovan’ny lalambe mikodana vao noforonina.
Aparitaka manerana ny Nosy ny tetikasa hahafahan’ny maro manana tany sy manorina trano ary hanamorana indrindra ny fisitrahana izany.

Tatiana A

Partager sur: