“Trio magique”: Hanampy an-dry Reko sy Nate Tex i Niu Raza

Herinandro maro lasa izay, nanambara ny Louvto Company fa hampiaraka an-tsehatra an’i Nate Tex sy ny Reko Band. Heno taorian’izay fa samy niatrika famerenana ny tarika roa tonta, ary tapaka fa ny 4 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora no hanaovana ity seho ity, eny amin’ny CCI Ivato. Efa naneho sahady ny fahavononan’ny tarika roa tonta ny niarahan’izy ireo nanao ny “Pejy faharoa” sy ny “Rotoroto”, izay nanaitra ireo mpankafy…
Vaovao lehibe manaraka, hanampy azy ireo an-tsehatra ihany koa i Niu Raza, amin’io fotoana io. “Ny tarika Reko sy Nate Tex ihany no saika hanao ny seho teny am-piandohana, saingy henonay fa tonga an-tanindrazana i Niu Raza. Nohararaotinay sao mba afaka hifameno amin-dry zalahy ireto izy, ka nanaiky izany. “Trio magique” no anarana nomenay ity fiarahana ity, satria tena tsy noheverina ho tafaraka izy ireo”, hoy ny nambarana’ny avy ao amin’ny Louvto Company, mpikarakara ny seho, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Star Andraharo.
“Ho maro ny tsy ampoizina”. Saika izay avokoa ny nambaran’ireo nandray fitenenana, satria tsy nanome ny andinindiny mba hampisy tsirony ny fampisehoana ho an’ny mpankafy izy ireo. “Efa ela izahay no nanao famerenana foana”, hoy i Nate Tex. “Ny azo antoka dia ho fotoana mamy be io”, hoy kosa i Fy Rasolofoniaina. “Tsy maintsy hisy ny fampiaraham-peo”, hoy i Niu Raza nanamafy.

Zo ny Aina

Partager sur: