Nahitana lohan’olona efa simba tanteraka sy tsy misy ahafantarana azy intsony tao anaty tanimbary tany amin’ny fokontany Manampisoa, kaominina Ambano, afakomaly tolakandro. Ankizy teny amin’ny manodidina no nahita izany ka nampilaza ny tomponandraikitra. Efa nitangoronan’ny lalitra sy namoaka fofona moa izy ity, nandritra ny fahitana izany.
Nahatratrarana rongony milanja 13 kilao tao antranon’ny lehilahy iray 30 taona, tany Ambinany, fokontany Ankerambe Avaratra, kaominina Milamaina, distrikan’i Fandriana omaly maraina. Nahazo angom-baovao mahakasika ny tranga ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fandriana ka nidina ifotony. Tratra nandritra izany, ireo rongony maina tany anaty “sachet” milanja 10 kg sy rongony tsotra 3 kg.