Vovonana Fiharoa: Iraisan’ny mpomba sy ny mpanohitra ny tetikasa Base

Natsangana, ny herinandro lasa teo, ny vovonana Fiharoa any amin’ny kaominina Ankilimaliniky sy Tsianisi­ha. Natao handrindra ireo mpomba sy mpanohitra ny tetikasa Base Toliara. Ahafa­hana mifampidinika sy mifanakalo hevitra eo amin’ny mponina eny ifotony. Mba hisian’ny fitakiana miray feo sady hiarahana misitraka ny tombontsoa azo amin’ny orinasa Base. Nisantatra ny fananganana ny Fiharoa, ny governora Atsimo Andrefana, Tovon­drainy Edally sy ny lehiben’ny distrika Toliara II. Notsipihin’ ny governora, fa efa nandalina amin’ny antsipiriany ny fanjakana nandritra ny 5 taona, vao namerina nanome alalana ny hanohizana ny tetikasa. Nan­tsoiny ny rehetra hiray hina, tsy hisy intsony ny fanavahana momba na manohitra ao anatin’ny vovonana Fiharoa. Sady tsy hanaiky hataon’ny hafa fitaovana intsony.
Niantso ny rehetra hiditra anaty Fiharoa sy hampitsahatra ny fanoherana tsy mitombina i Zafimahakoko Pascal, tanora any Ankilimaliniky. Ho an’i Rabesoa Jean Victor, so­lontenan’ny Olobe any Anki­limalinike, « Aoka isika Olobe hanazava amin’ireo mbola manohitra ny tetikasa mba ahalalana sy hahazoan’izy ireny ny tombontsoa entiny ».
Anisan’ny efa nivorian’ny Fiharoa sahady ny hanohizan’ ny Base ny fanadiovana la­kan­drano mampitohy ny fo­kontany Antapoaky sy ny kaominina Ankilimaliniky, ny ma­hakasika ny rano fisotro, ny sekoly, hopitaly, sns.

Njaka A.

Partager sur: