Akademia Miaramila Antsirabe : Naseho ambany faneva ny andiany manokana faha-27

Notanterahina omaly, tao amin’ny Akademia Mia­ramila (Acmil) Antsi­rabe, ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny an­diany manokana faha-27 na 27°Péloton de Formation Mi­litaire des Cadres Spécialistes (PFMCS). Nanome voninahitra izany ny minisitry ny Folo­alindahy (MFA), ny Jly Sahi­velo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo. Nitarika ny lanonana ny kaomandin’ny Acmil, ny Jly Ratsarahevitra Andriamisetra. Miisa 19 mianadahy, mpianatra ho mpi­tsabo avokoa ireto naseho ambany faneva ireto, rehefa nahavita ny fiofanana ara-teknika fototra maha miaramila (Fetta). Zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana manamboninahitra mpitsabo afaka manampy ireo dokotera hikolokolo sy hiahy ny fahasalamam-bahoaka. Nitsodrano azy ireo hahatontosa ny fiofanana, araka izany, ny MFA.
« Ny Akademia Miaramila dia natao hamolavola tanora vanona, antoky ny hoavin’ny firenena ary ho maodely amin’ ny fandraisana andraikitra », hoy izy. Nohamafisiny fa tsy ekena ny fisian’ireo olona tsy manaraka sy mivaona amin’ny sata sy fitsipika amin’ny maha manamboninahitra sy ny fitsipika mifehy ny Tafika Mala­gasy, ka horaisina ny fepetra mifanaraka amin’izany raha toa ka misy izany. Manoloana ny fandraisana miaramila an-daharana hanatevina isa ny fianakaviamben’ny Tafika Malagasy, hentitra ny MFA nanambara fa hisy sivana mafy sy fanaraha-maso ma­nokana mba hananana miaramila tsara sy vonona hiaro ny Tanindrazana ny firenena.

Jean Claude

Partager sur: