Fahasalamana: Lasibatry ny homamiadana ny ankizy

Mitondra fanazavana ny avy ao amin’ny hopitaly CU JRA mahakasika ny homamiadana mpahazo ny ankizy amin’izao fotoana. Miha mahazo vahana izany tato ho ato, raha ny fanamarihan’izy ireo.

Ao amin’ny sampandraharaha misahana ny homamiadan’ny ankizy, ao amin’ny CHU JRA, no mitsabo manokana ny zaza sy ny ankizy tratran’ny aretina homamiadana.
Anisan’ny mpahazo azy ireny ny homamiadan’ny ra (leucemie). Eo koa ny karazana fivontosana amin’ny taova, toy ny voa, ny maso na taova hafa any anaty.
Ireo ankizy manomboka herintaona hatramin’ny 10 taona no matetika tratran’ireo.
Misy ny fisorohana azo atao amin’ny alalan’ny fomba fiaina andavanandro sy ara-pahasalamana. Tokony ho arovana amin’ny setro-tsigara ny ankizy. Tena marefo izy ireny ary mora andairan’aretina tsy toy ny olon-dehibe izay efa matanjaka hery fiarovana. Mora marary ny ankizy rehefa tsy voaaro amin’ny loza sy mikraoba samihafa.
Mila arovana tsara amin’ny masoandro ny hoditry ny ankizy. Manao satroka hiarovana ny hodi-tava, mandeha amin’ny maloka satria mahery ny tara-masoandro ka tsy zakan’ny hodi-jaza.
Tsara koa ny misakafo ara-pahasalamana, miovaova ary manaraka ny toromariky ny dokotera amin’ny karazan-tsakafo tsara sy sahaza ny taonan’ny zaza sy ny ankizy. Izany no hatao dia mba hanatsarana ny fitomboany sy ny hery fiarovany. Tena zava-dehibe ny fihinanana legioma sy voankazo ary ny sakafo voajanahary.
Anisan’ny antony mampitombo ny herijika amin’ny homamiadana mpahazo ny ankizy ny Syndromes de Li Fraumeni, ny Neurofibromatose, ny Syndrome de Gorlin, ny Syndrome de down ary ny tsimokaretina VIH/Sida.
Tokony hatao sy vitaina tsara ny karazam-baksiny, indrindra ny miaro amin’ny Hépatite B, satria manampy amin’ny fisorohana ny homamiadana izany.
Raha misy fivontosana mampiahiahy, aretinan-doha matetika, mandoa lava ary fihenan-danja tampoka miseho amin’ny zaza na ankizy, mila manatona haingana dokotera.

Tatiana A

Partager sur: