Hapetraka isaky ny renivohi-paritany ireo ivontoeran’ny haitao ara-kajy mirindra (Digital Center). Hampivelatra ny fahaiza-manao niomerika eto an-toerana sy ho fampandrosoana ny olom-pirenena izany. Ireo ny vinan’i Madagasikara momba ny niomerika ho an’ny rehetra nandritra ny hetsika « Global Empowerment Meeting (GEM 2025) », tany Harvard, ny alatsinainy sy talata teo. Novoaboasan’ny minisitry ny ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, i Stéphanie Delmotte, ireo tamin’ny lohahevitra mahakasika ny « Catalyzing AI for Inclusive Change ».
Ankoatra izay, niombon-kevitra amin’ny rehetra ihany koa i Madagasikara amin’ny fifanakalozana mahakasika ny « intelligence artificielle » (IA). Voalaza fa tokony hanaraka fitsipi-pitondran-tena mifanaraka amin’ny zava-misy ary manampy amin’ny fampandrosoana ny fampiasana izany.
Tetikasa
Hisy ny tetikasa iombonana, hanohanana ny paikady niomerikan’ny firenena mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana, toa an’i Madagasikara. Voaresaka izany nandritra ny fihaonan’ireo delegasionina
malagasy tamin’ireo manampahaizana avy ao Harvard, ny alarobia teo.
Nisy koa ny fikaonandoha niarahan’ireo matihanina sy manampahaizana manokana, mpikaroka ary mpanapa-kevitra nanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Harvard sy ireo firenena andalam-pandrosoana sy vao misondrotra. Fototry ny dinika nifanaovana ny fiaraha-miasa azo tsapain-tanana amin’ny sehatry ny IA.
Henintsoa