“Fitia mifamaly” : Tarika maro no hiray sehatra

Hetsika iray hanehoana ny firaisankina izy ity. Ho fanampiana ny namany iray anaty fitsaboana, hanatontosa ny “Fitia mifamaly” ireo tarika sy mpanakanto maromaro, rahampitso, eny amin’ny La Cabane Andavamamba, manomboka amin’ny 4 ora. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ny tarika Filah, Boboh Mahavanona, Nida, ny Tarika Zovy, Tarika Miandry ary Tarika Sammy. Mivoy ny gadona maroloko, araka izany, kanefa hatambatry ny mozika sy ny fitiavana hanatontosa hetsika iarahana ireto mpanakanto ireto.
Fantatra amin’ny sehatry ny mozika Rock ny tarika Zovy. Vao tamin’ny herinandro izy ireo no namoaka ny “Mivezivezy”, rakitsarin’izy ireo vaovao. Azo lazaina ho “indray nihira”, ka mitovitovy fironana amin’ny mozika kosa ry Boboh Mahavanona sy ry Nida. Toraka izany koa ry tarika Sammy sy ny tarika Filah, izay efa niara-niasa tamina vokatra maro. Tsy fandraisana anjara fotsiny fa tena hanana ampahana fampisehoana ny tarika tsirairay, ary hisy ihany koa ny fampiarahana talenta mandritra ny hetsika.

Zo ny Aina

Partager sur: