Mankalaza ny faha-20 taona niarahany niasa tamin’ny fiangonana FJKM Ivato Seranana Vavahadin’ny Lanitra ny mpitandrina Rasoloarijao Jean. Hotanterahina rahampitso alahady izany. Tao anatin’ny 20 taona niarahana niasa, zava-dehibe ny namoahana mpitandrina 6, izay zanaky ny fiangonana ary anisan’ny reharehan’ny fijoroan’ny fiangonana.
Niitatra ny ambaindain’ny sekoly FJKM Fanovozantsoa izay an’ny fiangonana satria efa misy Lycée izy ankehitriny. Teo koa ny fanitarana sy ny fikojakojana ny efitranon-tsekoly. Goavana indrindra amin’izany ny fanitarana ny fiangonana izay nitotaly tany amin’ny 4 miliara Ariary tany ary efa afaka mandray kristianina an’arivony ny fotodrafitrasa ankehitriny.
Aman-jatony ireo vita batisa ary an’arivony ireo mpianatra katekomena tao anatin’ny 20 taona niasany teo amin’ny FJKM Ivato Seranana.
Telo ny fiangonana naorina, toy ny eo Mandrosoa, ny any Ankaramena ary ny any Mangaika.
Mahatratra 1 000 ireo kristianina voasoratra anarana ara-dalàna. Misy fidirana indroa ny fiangonana rehefa alahady. Misy fotoam-bavaka hatrany koa isan’andro, ny maraina sy ny hariva.
Ho fanamarihana izany faha-20 taonan’ny fiaraha-miasa izany, hisy ny seho sehatra izany iarahana amin’ny fiangonana sy ny sampana sy fikambanana ao aminy. Omena ny kaomitin’ny fisotroan-dronono ny vola azo amin’izany. Mifanindran-dalana amin’ny hetsika ny jobilin’ny fisotroan-drononon’ny mpitandrina.
Tatiana A