Harena voajanahary : Hikajiana ny harinkarena faobe

Tsy afa-misaraka amin’ny toekarena ny harena voajanahary. Voaresaka nandritra ny fihaonamben’ny « Spring meetings » tany Washington, ny tetikasan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Hampidirina ho anisan’ireo singa hikajiana ny harinkarena faobe ny harena voajanahary. Ho firenena mpitari-dalana amin’izany i Madagasikara sy Niger. Hitarika ny tetikasa kosa ny filoha lefitry ny Bad, Pr Kevin Urama. Vinan’ny fitondram-panjakana ny hampakatra 5% ny harinkarena faobe ho an’ny taona 2025 ary ho maherin’ny 5,6% ho an’ny taona 2028. Takina ao anatin’izay ny hanatsarana ny tontolon’ny toekarena. Ankoatra izay, mahatoky ny fitondram-panjakana ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky iraisam-pirenana momba ny fitantanam-bola. Maro ireo ezaka nataon’ny firenena, mbola misy ihany koa ireo fepetra takina heverina fa manampy amin’ny fanatsarana ny fitantanana.
Ankilany, feno 31 taona ny rafitra statistika eto Madagasikara. Misy ny tetikasa mpitari-dalana, vatsian’ny Bad, hanavaozana izany any Amoron’i Mania sy Matsiara Ambony.

Henintsoa

Partager sur: