Lohan’olona iray no hitan’ ny mpandalo nisy nanary tany amin’ny fokontany Manampisoa, kaominina Ambano, distrikan’Antsirabe II, ny alarobia tamin’ny 4 ora tolakandro teo. Efa tsy nisy nahafantarana azy intsony ho lohan’iza io satria efa tsy nisy nofo sy tsy nisy volo intsony. Tombanana ho efa ho iray volana mahery ny nahafaty ity razana ity, raha ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo. Mety misy nifandraisany tamin’ny raharaha nahafatesana lehilahy iray tamin’ny fomba feno habibiana tany Antohobe, ny 25 marsa lasa teo, ity fahitana lohan’olona ity. Tsy mbola nahenoana fitarainana olona very ihany koa tao anatin’ny fokontany. Ahina ho an’io raim-pianakaviana hita faty tapa-doha io ity loha ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana ao Betafo. Tsiahivina, raim-pianakaviana 68 taona, hita faty tapa-doha tany amin’ny fokontany Soavina faharoa, kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo, ny 25 marsa 2025 lasa teo.
Hatramin’izao, mbola tsy hita ny lohan’io razana io, raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana avy ao Betafo ihany. Raha toa ka efa nanomboka nikaroka izany ireo manampahefana ny ampitson’ny nahitana io razana tsy nisy loha io. Ankoatra izay, tsy mbola tratra ihany koa ireo tena atidoha nikotrika nahavanon-doza tamin’io raharaha famonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana io.
Mino