Loharanom-bola vaovao : Zava-dehibe ny fanetsehana ny sehatra tsy miankina

Manana anjara biriky amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana sy ny fanaovam-baksiny ny firaisamonim-pirenena. Vahaolana naroson’izy ireo, hahazoana loharanom-bola fanampiny hividianana vaksiny, ny fitadiavana hetra vaovao hampiakarana ny anjaran’i Madagasikara. Satria, efa misy lalany daholo ny sora-bola voafaritra anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Zava-dehibe koa ny fanetsehana ny sehatra tsy miankina. “Misy tombony ara-toekarena sy sosialy ho an’ny orinasa rehefa salama ny mponina ka afaka mamokatra”, hoy ny mpitondra tenin’ny fiombonan’ny firaisamonim-pirenena Hina-Nosy W-CCOC, Rakotonirina Miaro­sata.
Manamafy ny fisian’izy ireo koa ny fandraisana andraikitra manampy ny mpiara-belona manoloana ny vahoaka sy ny fanjakana, amin’ny ankapobeny.
Betsaka ny ezaka efa nataon’ny firaisamonim-pirenena miaraka amin’ny tomponandraikitra, ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina, mpisehatra eny ifotony. Nisongadina ny fandrindrana ny hetsika fanaovam-baksiny hampandeha tsara ny asa, hahazoana vokatra. Teo koa ny haitaky amin’ny tokony hampiakarana ny sora-bola ho an’ny fahasalamana izay efa hita taratra ny fiantraikany tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2025. Efa voaefan’ny fanjakana rahateo ny anjarany amin’ny fiarahana mamatsy ny fividianana vaksiny ho an’ny taona 2024.

Partager sur: