Hiavaka ny Sehatra Bagasy volana mey. Hizara traikefa marolafy i Fidimalala. Anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. « Fidimalala 97 taona. Hihira, hitendry gitara, hitantara ny fiarahany tamin’i Barijaona sy O’Suza ary Ranaivo-Ranarivelo tany an-dafin’ny riaka », hoy i Mbosa, raha namintina ny ho fandaharam-potoana anio. Famelabelarana ny fiainan’ny Malagasy mpanakanto nitondra sy niaina ny bagasy tany Eorôpa. Hanolorany ireo hira noforoniny sy niarahany tamin’i O’Suza sy Barijaona. Ho an’ity anio ity, ny tarika R’Imbosa no hiaraka amin’i Fidimalala hamelona ireo hira ireo.
Anisan’ny antsoin’ny Sehatra Bagasy manokana amin’ity seho manana endrika fizarana traikefa ity ny tanora. Tsy hisy rahateo ny vidim-pidirana. Zava-dehibe sy tsy fahita firy ny tahaka izao, raha eo amin’ny tontolon’ny hira, indrindra fa ny bagasy. Ankoatra ny maha seho kanto azy, mantsy, omena lanja ny fifanakalozana na ny resaka hifanaovana amin’i Fidimalala.
Marihina fa iray amin’ireo namelona ny serenady (sérénade) teto Madagasikara i Fidimalala. Teo anelanelan’ny taona 1940, 1950, tonga hatraty amin’ny taona 1960 no nampivelatra be ny fanaovana azy io. Anio, eny amin’ny Aro Antsahavola, no ahafahana manontany an’i Fidimalala momba io karazan-kira iray io.
HaRy Razafindrakoto