“Star Story” – Team Davalt Rwikordz: Hanarahana ny sombim-piainan’ireo mpanakanto

Manao inona ry Maman’i Tsôlôlô amin’ny andavanandro? Ahoana sy ahoana ny fomba fiainan-dry Moopcan, Tanjona Randrianarivelo, Parish, sns, ny ambadiky ny sehatra? Ampahalalana ny besinimaro anatin’ilay fandaharana “Star Story” izany.

Hampifanakaiky ireo mpankafy sy ireo olo-malaza. Izay no tanjon’ny fandaharana “Star Story”’, izay handeha ao amin’ny TVM, manomboka ny 9 mey ho avy izao, isaky ny zoma, sabotsy ary alahady amin’ny 6 ora latsaka fahefany hariva. Ny mampiavaka azy? Hahafahan’ireo mpankafy manaraka ny sombim-piainan’ireo mpanakanto, izay eo ambany fiahian’ny Davalt Rwikordz izany. “Tsy fifaninanana fa haka endrika télé-réalité izy ity. Efa nisy ny nataonay niaraka tamin’ireo influenceurs, ka anjaran’ireo mpanakanto indray izao. No­safidiana manokana ny mpanakanto eo ambany fiahian’ny Davalt Rwikordz, satria efa nanomboka ilay fiaraha-monina mankany amina tanjona iray izy ireo, ka mifanaraka tsara amin’ny tanjon’ny fandaharana”, hoy ny nambaran’i Mialy, avy ao amin’ny Positive Vizion, izay mpamokatra ny fandaharana “Star Story”, nandritra ny fampahafantarana tetsy amin’ny Yas Andraharo, ny alarobia teo.
Mpanakanto 30, avy amina faritra maro manerana ny Nosy, no nosafidian’ny Davalt Rwikordz handray anjara amin’ny fandaharana. “Nosa­fidiana noho ny talentany amin’ny mozika aloha ny voalohany indrindra, izy ireo. Hitanay hoe mendrika ampiana tosika mba halaza, ka misy tokony hatao maromaro mba hahatongavana amin’izany. Amin’izao fotoana izao, misy amin’ireo no efa miaka-daza sy mahazaka fampisehoana lehibe hatrany ivelany, ary misy kosa no vao manomboka, fa miaraka ao avokoa”, hoy ny nambaran’i Davalt.
Fanabeazana, fifampitondrana, fifampisintomana miakatra mankany amin’ny laza no tena hatao ao amin’ny “villa”. Efa nisy ary mitohy ny fiaraha-monin’ireto mpanakanton’ny Davalt Rwikordz ireto, fa manampy izany bebe kokoa ny fandaharana “Star Story”. Ankoatra ny fanaovana mozika mantsy, milofo amin’ny fianarana teny vahiny, ny fandraharahana anaty zavakanto sy izay tokony ho fantany rehetra amin’ny asany ireto mpanakanto ireto.
Davalt Rwikordz… Talo­haloha kely, saika izay hira nalaza rehetra, nahenoana azy io tany amin’ny farany. Taty aoriana, fantatry ny besinimaro amin’izay ny tao ambadika: trano mpamokatra ny sanganasan’ireo mpanakanto, ary tena mahay mitily sy manosika mankany amin’ny laza. Tsy mitsaha-mamiratra isan’andro ireo mpanakanto ahian’ny Davalt.

Zo ny Aina

Partager sur: