Hitafa mivantana amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, rahampitso alahady. Tombanana fa anisan’ny hambarany amin’izany ny momba ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.
Anisan’ny mety hitondrany fanazavana bebe kokoa ny momba ireo Nosy manodidina “Iles Eparses”. Zary niteraka resabe ny momba ny fifandroritana eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara, indrindra taorian’ny nilazan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, fa tokony hiaraha-mitantana ireo Nosy Malagasy ireo. Na izany, ny fivoriana iarahan’ireo vaomiera manokana eo amin’ny firenena roa tonta, any Paris, ny 30 jona izao, no hamaritra izany.
Anisan’ny mety hitondran’ ny filoha Rajoelina Andry fanazavana koa ny resabe amin’ny hitrandrahan-dry zareo frantsay harena an-kibon’ny tany, indrindra ny “Terre rare” eto Madagasikara. Eo koa ny hitondrany ny antsipiriany amin’ ireo fifanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa amin’i Frantsa eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fambolena sy ny momba ilay ozinina hamokatra zezika sy ny fampitaovana ireo tantsaha. Manampy izany ny lafiny fanabeazana sy ny fampianarana iarahana miasa amin-dry zareo frantsay hatrany, amin’ny alalan’ny AFD.
Fanovana ny governemanta
Anisan’ny mety horesahin’ny filohan’ny Repoblika koa ny tombana amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ka hirosoana amin’ ny fanovana izany. Efa manomboka mandeha ny resaka ny amin’ny ho fiovan’izany amin’ ny faran’ity volana mey ity, na ny fiandohan’ny volana jona. Tahaka izany koa ny tombana ho an’ireo governora isam-paritra ka mety hisaorana ny sasany amin’izy ireo.
Eo koa ary anisan’ny andrasan’ny maro ny momba ny sosialim-bahoaka. Ohatra amin’izany ny tsy fandriampahalemana mahazo laka amin’ izao fotoana izao. Ny olan’ny herinaratra miverimberina sy ny vahaolana hoentin’ny fitondram-panjakana…
Tsiahivina fa hanomboka amin’ny 8 ora alina izany tafa hifanaovan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny vahoaka malagasy izany. Azo arahina amin’ny haino aman-jerim-panjakana (TVM-RNM) ary amin’ny pejy ofisialin’ny fiadidiana ny Repoblika io fandaharana io.
Synèse R.