Tahotra ny tsy handova: Novonoin-janany ny rainy

Naiditra am-ponja, omaly, ireo telo lahy namono nahafaty raim-pianakaviana teny Ambohinambo Talatamaty. Atidoha nikotrika izany ny zanany lahy. Antony, valifaty sy tahotra ny tsy handova.

Niakatra fampanoavana, omaly, ny tovolahy telo. Monina eny Ambohi­nambo Talatamaty izy ireo. Voarohirohy ho namono nahafaty ny raim-pianakaviana teny an-toerana ny faha-3 avrily 2025 lasa teo. Zanaky ny lasibatra ny iray amin’izy ireo, atidoha nikotrika ny vono olona. Valifaty an-drainy noho ny nisarahany tamin’ny reniny efa valo taona lasa, niampy tahotra ny tsy handova no antony namonoan’izy ireo azy. Manamafy izany ny fiaikeny heloka nandritra ny famoto­rana sy ny fakana am-bavany azy ireo.
Marihina fa nanambady vehivavy hafa ity raim-pianakaviana novonoina ity. Nifam­piteraka rahateo izy roa. Ni­teraka lonilony anaty sy fankahalana tamin’ilay tovolahy vao 17 taona izany. Nohararaotiny ny fiarahana tamin-drainy, hanaovana andrana fiara mba hahafahany mandatsaka ny ainy. « Nanao andrana fiara marika Kia Sportage niaraka tamin’ilay rainy io lehilahy io sy ireo roa lahy, ny harivan’ny 3 avrily tamin’ny 5 ora sy sasany », araka ny angom-baovao azon’ny mpanao fa­motorana.

Nanara-panjaitra

Teny an-dalana hody, avy nanao andrana ilay fiara teny Andakana, kaominina Ano­siala, no niseho ny vono olona. Noleran’ireo tovolahy roa, niara-dalana tamin’izy mianaka antsy ity raim-pianakaviana ity. Voalaza fa mbola afaka nanohitra izy, ary niezaka nanavo-tena ka nahavaky ny fitaratry ny fiara. Tapitra teny an-dalana anefa ny ainy ka narian-dry zalahy teny amin’ ny tany malalaka eny Ambo­hinambo ihany. Ny ampitso vao nisy nahita ny razana.
Nanaraka baiko, nilaza ho kofehy manara-panjaitra izy roa lahy. Izay efa nitsoaka tao­rian’ny vono olona. Ilay mpaniraka ihany anefa avy eo no nanondro azy ireo, nahafa­hana nisambotra. Niaiky ny helony izy telo lahy, naiditra am-ponja vonjimaika omaly.

Tsiferana R.

Partager sur: