Taranja Jiu Jitsu: Kely nefa sangany i Enoka sy Itiela

Anisan’ny zandriny indrindra amin’ny mpifaninana ara-panatanjahantena Jiu JiTsu, nandritra ny “Open Africa 2025 Bresilien”, i Enoka sy sy Itiela, teratany malagasy. Lalao natao tany Maorisy, ny faramparan’ny volana avrily teo.
10 taona i Mazas Aintsara Enoka, tempana “grise”, sokajy latsaky ny 27 kg. Anisan’ny tompondakan’i Afrika zandriny indrindra tamin’ity fifaninanana ity izy. 11 taona kosa i Itiela Mazas Aintsara, tempana “grise” ihany koa, sokajy latsaky ny 46 kg.
Nahazoan’i Madagasikara medaly volamena 20, volafotsy 6 ary alimo 3 moa ity fifaninanana ity. Nampisongadina an’i Madagasikara tamin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo mpandray anjara tamin’izany.
Nilaza ny federasionina fa fanombohana vanim-potoana vaovao ho an’ny taranja eto Madagasikara iny vokatra iny. Fotoana nanaporofoana ihany koa fa azo atao tsara ny miatrika fifaninanan amin’ny sehatra ambony na dia amin’ny fitaovana tsotra aza, rehefa misy fanoloran-tena sy fanohanana ary fitambaran-kery.
Miantso ny ambaratongam-pibeazana rehetra mba hanampy ny tanora sy ny atleta maniry hanana fivoarana sy hanome sehatra ho an’ny fifaninanana anatiny sy ivelany ny federasionina.

Tatiana A

Partager sur: