TARATRY ny KANTO

“Festival Tsika Jiaby”, anio ny fotoana. Hanomboka amin’ny 10 ora ny hetsika rehetra etsy amin’ny Kianja Barea. Haharitra ora maro ny fampisehoana goavana, izay hataon’i Samoëla, Tanjona Randriana­rivelo ary Mage 4. Mialoha izany, ireo mpanakanto vao misondrotra toa an-dry Arangita, Splash Ryzen, Hell’s Rush ary Dee Hamishi no hiaka-tsehatra. Mbola hisy koa ny fiarahana amin’ireo mpikosoka kapila ankoatra izay.
Ho simba ny zavakanto raha hibahan-toerana sy hanan-danja ao anatiny ny “intelligence artificielle”. Any ivelany, efa milona ao anatiny…Saingy, manomboka monamonaina ihany koa. Saripika tokony haneho ny kanto voajanahary, nanjary ahitana vodilanitra maitso mangatsakatsaka? Eto Madagasikara indray, mbola eo am-pitadiavana izay hidirana na hampidirana ny kanto ao anatin’io sehatra vaovao io!
… Satria tsy ampy fahalalana momba azy ny Malagasy dia tsy mahatoky tena. Miantsampy amin’ny hazo tsy fantatra. Mila omena lanja ao anatin’ny fanabeazana isan-tokantrano ny fampahatsiahivana na fampianarana ny momba ireo razana nipoirana. Tsy ho diso lalana ny taranaka aty aoriana ka mahafantatra ny momba azy. Tsy zava-baovao teo amin’ny fitaizan’ny Malagasy ny taranany io. Saingy, taty aoriana, noraisin’ny sasany ho “hafahafa”!
Hatramin’izao, mbola voazanaka ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Tsy maintsy hafangaro amin’ny gadona vahiny ve, ohatra, ny hira malagasy vao kanto? Raha manana ny maha izy azy ny zavakanto malagasy, ireny no mila hasongadina. Tahaka ireo toerana ahafahana mitsangantsangana. Tsy mila hamboarina na hasiana zavatra hafa fa ilay hakantony ihany dia ampy “hitsarana” azy. Mety misy ny tsy tia, saingy, tsy hanimba ny maha kanto ny alan’Andasibe, ohatra, izany.

Partager sur: