TSELATRA

Notoloran’ny orinasa tsy miankina iray fanomezana ny akany fitaizana zaza kambotin’ny polisim-pirenena ao Ambatolampy, omaly. Kidoro, lamba mafana firakotra sy ondana no azon’izy ireo tamin’izany.
Tazonina atao andrimaso eny anivon’ny polisim-pirenena ilay sinoa nitondra fiara nahafaty olona efatra teny By-Pass, ny alarobia 30 avrily teo. Nandositra io sinoa io tamin’ny fotoan’ny loza saingy voasambotry ny nanatri-maso. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy.
Mpitondra moto maty tsy tra-drano, tratry ny lozam-pifamoivoizana, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 18 +500, Andavabiby, kaominina Ambato­mira­havavy, ny 29 avrily teo. Nivoaka ny arabe tampoka, rehefa nikasa hiditra fiolahana io moto io. Naratra ny iray raha toa ka tsy tana ny ain’ny mpitondra ny moto.
Voasambotry ny polisin’ny kaomisaria Main­tirano, omaly, ny lehilahy iray mpamerin-keloka amin’ny resaka vaky trano. Nisava ny tranona lehilahy iray voalaza ho jiolahy ny mpitandro filaminana. Tratra tao ny fahitala­vitra « écran plat » anisan’ireo entana very nandritra ny vaky trano tany amin’ny fonkotany Tanambao Nord, Main­tirano, ny 1 mey teo.

Partager sur: