Tsimbazaza Andohamandry : Lehilahy tratra nangalatra Kaontera

Tratra teo am-pangalarana Kaontera an’ny Jirama tao an-tokantranon’olona, tetsy Tsimbazaza Andohamandry, ny lehilahy iray, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nangina ny tanàna, niditra antsokosoko tao an-tokantranon’olona ity olon-dratsy ity. Nihevitra fa tsy hisy olona tao an-trano ka tsy nisalasala izy niditra.
Tsikaritry ny renim-pianakaviana iray tao an-trano anefa ny nidirany tao ka niantso manam-pahefana avy hatrany ity farany. Nandritra izany, niezaka nanongotra ilay Kaontera tamin’ny toerana nisy izany ity olon-dratsy ity. Nesoriny avokoa ireo tariby mampifandray ity fitaovana fandrefesana
fandanian-jiro ity tamin’ny tariby an’ny Jirama. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisim-pirenena avy amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo taorian’ny antso. Efa voahongitr’ity lehilahy ity tamin’ny toerana nisy azy ilay fitaovana, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filami­nana teny an-toerana. Noraisim-potsiny noho ny asa ratsy vitany ilay jiolahy. Nosamborina ary nentina hanaovana fanadihadiana eny anivon’ny kaomisaria Ambohijatovo izy.

Mino

Partager sur: