Anisan’ny hanamarika ny faran’ity herinandro ity ny fivoahan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fahanginany ka hitafany amin’ny vahoaka malagasy. Tsy mbola misy mipika aloha ny ho vontoatin-dresaka fa ny azo ambara, efa maromaro ny lohahevitra azo vinavinaina. Betsaka rahateo ny vaovao mila fanampim-panazavana amin’ny fitondram-panjakana izay tarihiny.
Tsy sanatrian’ny vava anefa hiseho hahita volana alohan’ny Habib fa aleo izy tompony ihany no hanambara izany. Iaraha-mahalala rahateo fa tsy misy mahita ny any anaty vilany afa-tsy ny manokona sy ny mpiketrika mba hahamasaka ihany. Fisehosehoana fotsiny ihany ny an’ireo mpangala-pihinana sy ny mpanandran-tsira tsy amin’ny lerany ety ivelany.
Handrasana ny masaka haroson’ny Filoha izay heverina ho vary manitra sy laoka mafilotra, ilay tena andrasan’ny Malagasy. Anisan’ny resabe rahateo ny mahakasika ilay karama “100 euro” isam-bolana, ny fahasahiranana sy ny fahasambarana samy manana ny azy. Izay resa-kanina sy ny tsy fananana izay rahateo moa no olana voalohany atrehin’ny isan-tokantrano. Heverina fa teboka tsy hodinganiny izay.
Miandrandra asa fa tsy kabary ny Malagasy. Efa niaraha-nahita rahateo ny fanaovan’ny fitondram-panjakana ho lohalaharana ny sosialim-bahoaka. Efa misy ny karazana fifampitsinjovana isan-tsokajiny, na mivantana na ankolaka. Izay rahateo, araka ny toky nifanomezana tamin’ny fampielezan-kevitra, no vaindohan-draharahan’ny fanjakana: ny vahoaka sy ny andavanandrom-piainany.
Mbola miandry misimisy kokoa ny vahoaka, indrindra ao anatin’ny tetezamitan’ny maitso ahitra mankany amin’ny fararano izao. Mbola midangana izaitsizy ny vidim-bary sy ny kojakoja ilaina andavanandro. Ny vola mihodina eto amin’ny tanàna ihany koa tsy hay mazava. Atao ho sahirana sy mafy ady ilay Malagasy toa maneso azy izany. Lazaina ho manana sy miadana indray, toa mandatsa. Angaha hita izay hilazana azy!
r.r