Nirongatra sady niparitaka ny andiam-balala taorian’ny rotsakorana tany amin’ny faritra Anösy. Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitera Minae sy ny Ivonterana miady amin’ny valala (IFVM) ary ny FAO, nanomboka ny marsa teo. Nahatratra 1 460 ha ny velaran-tany notondrahina tamin’ny alalan’ny angidimby ary 2 200 ha ady an-tanety tany Amboasary.
Liana amin’ny sehatry ny fizahantany aty Madagasikara ny arabo mpandraharaha. Vita sonia ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA) sy ny kaompania Emirates, hisarihina ny mpizahatany any Dubai ho avy aty amintsika. Anisan’ny vokatra tsara nandritra ny fandraisan’i Madagasikara anjara voalohany tamin’ny Foara ATM, tany Dubai, izany.
Ho velomina indray ny Foibe fiompiana trondro any amin’ny toby miaramila Antanimeva, Atsimo Andrefana. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fananganana ny fari-pisandratana (ZEP) Fiharea Fia, iarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny ao amin’ny Foloalindahy. Tsiahivina fa miisa 16 ny dobo fiompiana trondro efa misy ao ary izao havaozina izao.
Miisa 30 ny tanora niofana momba ny fambolem-bary tao amin’ny Kolejy momba ny fambolena Bezezika, distrika Mahabo, faritra Menabe. Andiany faha-14 tamin’ny alalan’ny fikambanana VFTM-Fifata, nisalotra ny anarana Soa Vokatra izy ireo. Notolorana fitaovana fihavam-bary sy fanondrahana fanafody izy ireo.