Vinavinan’ny Ceni : faran’ny mey ny hamerenana ny fifidianana

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa efa namolavola tetiandro hanatanterahana ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna izy ireo. Mbola mitaky fepetra anefa ny hanaovana izany.
Novinavinain’ity rafitra mi­karakara sy mpanomana fifidianana ity fa tokony hotanterahina ny faran’ny volana mey any ho any ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna. Efa miomana ny handefa izany eo anivon’ny governemanta izy ireo. “Tsy maintsy miandry ny fanapahan-kevitry ny Filan­kevi-panjakana anefa izany. Andrasana ny valin’ireo fito­riana voarain’io rafi-pitsarana io”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène. Notsindriny fa miankina amin’ izany ny fanomanana ny fa­merenana ny fifidianana amin’ ireo kaominina maherin’ny 10.
Tsiahivina fa efa nanitri­kitrika ny fitavozavozan’ny Filankevi-panjakana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’ny tsy mbola nahazoana ny valin’ ireo fitoriana napetraka any amin’izy ireo.

Manjavozavo ny lalàna

Tsy mahagaga raha niseho ireny savorovoro sy hetsika tany amin’ny kaominina maromaro ireny, araka ny nambaran’izy ireo. Anisan’izany ny fametrahana ben’ny Tanàna amin’ny toerana sasantsa­sany, niainga avy amin’ny
didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. “Tsy misy fampitam-baovao avy amin’ny Filankevi-panjakana io hatramin’izao na filazana fotsiny aza fa efa anaty fikirakirana ny fitoriana ireo mpitsara”, hoy ny filohan’ ny KMF/Cnoe, i Namearson Robert. Nohitsiny koa fa tsy mazava ary tena manjavozavo tanteraka ny lalàna amin’ny fe-potoana ivoahan’ny valin’ny fampiakarana ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana.

Synèse R.

Partager sur: