Notanterahina ny asabotsy teo, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola, ny fihaonan’i Fidimalala tamin’ ireo mpitia sy liana amin’ny bagasy. Nisongadina, sady vontoatin’ity fihaonana nokarakarain’ny Sehatra Bagasy ity, ny fizarana traikefa momba ny fahitan’i Fidimalala ny tontolon’ny zavakanto indrindra fa ny hira malagasy nandritra ny fotoana ela nijanonany tany ivelany.
Tsotra, nahitsy ny teniny ho an’ny tontolon’ny zavakanto malagasy : «aza menatra amin’ny antsika». Nohamafisiny fa «manana ny antsika isika. Ireny no mampiavaka antsika». Anisan’ny nahagaga ny maro tokoa ny nifehezan’i Fidimalala sy Barijaona ary Ranaivo-Ranarivelo io mampiavaka ny aingam-panahy malagasy io nandritra ny fotoana ela nanatanterahin-dry zareo seho tany ivelan’i Madagasikara.
Nasongadiny nandritra ity seho manana endrika fifanakalozana ity ihany koa ny lanjan’ny teny malagasy. Manana sy anisan’ny singa iray maha hira ny hira izy io. Noho izany, mila manana fototra tsara ny tononkira. Ny teny malagasy no anisany mahatahiry izany, raha ny fanazavan’i Fidimalala hatrany. Ny lohatenin-kira, tsy tongatonga ho azy. Tahaka izany koa ny tononkira ao anatiny. Matetika mirakitra tantara.
Marihina fa 97 taona i Fidimalala. Mitendry gitara, mihira, mahatadidy tsara ny tantaram-piainany.
HaRy Razafindrakoto