Fahaiza-mampiasa ny IA: Mametraka ny daholobe ho ivon’ny fampandrosoana

Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tolotra omen’ny biraom-panjakana sy ny sehatrasa samihafa ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Manohy ny asany amin’ny fanatsarana izany ho an’ny dahalobe, amin’ny alalan’ny IA sy ny fanovana niomerika, i Madagasikara.

Nitondra ny feon’ny firenena momba ny fanovana niomerika sy ny fampiasana ny IA ny delegasionina malagasy notarihin’ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisana (MNDPT), Ste­phanie Delmotte, sy ny Unité de gouvernance digitale (UGD) tamin’ny fihaonana natao tany Harvard Center for International Development (CID). Tao amin’ny Harvard Kennedy School, notarihin’ny Profesora Asim J. Khwaja, Faculty Director no natao ny fihaonana. Fifanakalozana tafiditra ao anatin’ny hetsika Global Empowerment Meeting (GEM 2025). «Hapetraka ny fomba fampiasana ny niomerika ara-drariny amin’ny alalan’ny IA», hoy ny minisitra. Jerena manokana ny fiaraha-miasa amin’ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny daholobe. Hotrandrahina ihany koa ny angon-kevitra hamantarana ara-niomerika ny fanabeazana, ny hetra, ny fiarovana ara-tsosialy sns.
Voaresaka nandritra ny fifanakalozana, ny herinandro teo, koa ireo tetikasam-pirenena hamaritana ny endriky ny fiaraha-miasa stratejika mifandraika amin’ny fampiasana ny IA. Natolotra, nandritra izany, koa ny «Global Internship Program» (CID), fandaharanasam-pikarohana mihatra sy maharitra 18 volana, hiarahana amin’ny mpianatra sy ny matihanina avy ao Harvard. Tanjona ny handrafetana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madaga­sikara. Vinavinaina hatomboka amin’ny taona 2026 ny fandaharanasa miaraka amin’ny tetikasa santatra hampiharina eny ifotony.

Zava-baovao
Mifanaraka amin’ny vina sy fanamby niomerika eto Madagasikara ireo tetikasa sy fiaraha-miasa samihafa ireo. Mifototra amin’ny fametrahana ny «Digital Centers» isaky ny renivohi-paritany sy ny fampiroboroboana ny fahaiza-mampiasan’ny tsirairay izany. Araka izany, mifanandrify amin’ny lohahevitry ny GEM momba ny “Catalyzing AI for Inclusive Change” manohana ny fampiasana ny IA ho an’ny
fampandrosoana i Madagasikara ity hetsika natao ity.

Henintsoa

Partager sur: