Famedev : Hanadihady ny fampahalalam-baovao

Marihina amin’ity 6 mey ity, maneran-tany, ny fanadihadiana sy fitrandrahana ny fomba fiasan’ny fampahalalam-baovao mifantoka amin’ny fanomezan-danja ny vehivavy “Projet mondial de monitorage des médias – Global Media Monitoring Project” (GMMP). Efa fanao isaky ny dimy taona izany ka anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika iray ity ny eo anivon’ny “Femmes en action, média, genre et développement” (Famedev), tarihin’ny mpanao gazety, i Fla­vienne Ramaroson, eo anivon’ny RNM.
Hotanterahina etsy amin’ ny Red Zone, Ampandrana Bel Air, izany. Fotoana io hamadibadihan’ny eo anivon’ny Famedev ny fampahalalam-baovao sy hanadihadiany amin’ny antsipiriany ny vaovao amin’ny gazety mpiseho isan’andro sy ny Radio ary ny fahitalavitra. Tahaka izany koa ireo fampahalalam-baovao amin’ity anio ity, eny amin’ny tambajotran-tserasera na koa ny Internet.
Anisan’ny hifantohana amin’izany ny isan’ireo vehivavy miseho amin’ny vaovao, ny mpanoratra na resahana anaty vaovao. Na koa manao hetsika politika sy toekarena na koa eo amin’ny sosialy ary ny kolontsaina. Ho voahadihady manokana koa ny fitateran’ny fitaovam-pampahalalam-baovao ireo herisetra atao noho ny maha vehivavy.
Ampitain’ny Famedev-Madagascar any Canada ny vokatr’izao hetsika izao, tahaka ireo fikambanana maneran-tany any amin’ny fikambanana lehibe WACC, miara-miasa amin’ny Unesco.

Synèse R.

Partager sur: