FANTINA sy FINTINA

Namaly ny depiote Afakandro Christian ny go­vernoran’i Boeny, Andriatomanga Mokthar Salim. Namba­rany fa miasa eny Amborovy sy any amin’ny Fitim ireo fitaovan’ny faritra “niveuleuse – chargeur – bulldozer – compacteur”. “Azo hamarinina eny izany fa diso ny nambara ny amin’ny nampanofana izany”, hoy izy.
Nivoaka ny fonjan’Antanimora, omaly tamin’ny 9 ora teo ho eo, ny vadin’ny Kly Rakotomamonjy Patrick. Voalaza fa nangataka fahafahana vonjimaika ny tenany. Efa nanome baiko ny hamoahana azy koa ny filoha Rajoelina Andry, afakomaly, satria tsy misy idiran’io vadiny io ny momba ny Kly Rakotomamonjy Patrick.
Hentitra ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, manoloana ny nilazan’ny filoha Rajoelina Andry fa hitsidika ny “Iles Eparses” izy. “Afa­ka ataony tsara amin’ny maha frantsay azy izany. Tan­jona kosa anefa ny hiverenan’ireo Nosy malagasy ireo ho eo ambany fiandrianan’i Madagasikara mba hahafahan’ny Malagasy rehetra mankany”, hoy izy.
Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivorian’ny Antenimierandoholona etsy Anosikely. Mialoha izany kosa, ho an’ny tapany maraina, ny fanombohana ho an’ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Anisan’ny samy handalo eny anivon’ireo parlemanta ireo ny volavolana tetibolam-panjakana.

Partager sur: