Fotoam-pivorian’ny Antenimiera : Vonona hifanatrika amin’ny governemanta ny depiote

Hisokatra anio ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity ho an’ireo parlemantera roa tonta. Andrasan’ ireo depiote eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’izany ny fifanatrehana amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.
Anisan’ny tsy maintsy ho tafiditra amin’ny lahadinika amin’izao fivoriana izao, tahaka ny efa mahazatra, araka ny voalazan’ny lalàna, ny fandinihana ny volavolan-dalàna mi­fehy ny tetibolam-panjakana. Fa ankoatra izany, andrasan’ireo solombavambahoaka, indrindra ny avy amin’ny fanoherana sy ny tsy miankina, ny momba ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Hifanatrehan’izy ireo amin’ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny governemanta izany. “Miandry an’io fotoana io izahay fa betsaka ny tianay hambara. Tsy fantatra koa anefa na hisy na tsia indray, tahaka ny tsy nahatanteraka izany teo aloha”, hoy ny depiote voafidy tany Ambatondrazaka, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja – MM”, herinandro vitsy lasa izay.

Didian’ny lalàna ny fifanatrehana
Efa nisy rahateo fotoana tsy nahatanterahana izany fifanatrehana teo amin’ny go­vernemanta sy ny depiote izany na didian’ny lalàna aza fa tsy maintsy ataon’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna io fifanaza­vana io.
Tsiahivina fa anisan’ny andrasan’ireo depiote amin’ny mpanatanteraka koa ny olan’ny rano sy ny jiro. Eo koa ny tsy fandriampahalemana, ny olan’ny fampianarana sy ny fanabeazana ary ny fahasalamana, ny momba ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ma­nampy izany rehetra izany ny momba ireo fotodrafitrasa toy ny fahasimban’ny lalana any amin’ny faritra rehetra any. Ny sosialim-bahoaka ankapobeny…

Synèse R.

Partager sur: