Tsara fiomanana. Vonona tanteraka hiatrika ny fifaninanana “Miss Monde 2025” andiany faha-72, izay hotontosaina any Inde, ny Miss Madagascar 2024.
Naka bahana nandritra ny volana maromaro ny “Miss Madagascar 2024”. Vonona ary hanainga anio tolakandro, hihazo an’i Inde, i Cyria Olivine Temagnombe. Any no hotontosaina ny fifaninanana iraisam-pirenena “Miss Monde 2025” amin’ity, manomboka rahampitso 7 mey hatramin’ny 31 mey izao izany. Tsy nisy nodinganin’ny komity mpikarakara sy ny Miss Madagascar ireo teboka rehetra ilaina amin’ny fiatrehana ity fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny goavana indrindra ity.
Tsy misy miova ireo “challenge” takin’ny “Miss Monde” amin’ny mpifaninana rehetra, izay hitsarana ireo tovovavy solontenan’ny firenena maro: ny Multimedia, Sport, World Designer, Top Model, Head-to-head ary ny Beauty with purpose (BWP). Ho an’ity “challenge” farany ity, nisafidy ny lohahevitra “Ny fiarovana ny zaza varira” i Cyria Olivine, ary efa nanaovany asa soa teto Madagasikara hatramin’ny nahalany azy izany. Naharitra enim-bolana ihany koa izay no nanamafisany ny fahaizany teny anglisy, ary efa voafehiny tsara izany. Nanaraka fomba fisakafoana manokana, miampy ny fanatanjahantena sy ny fitaizam-batana ihany koa izy. Mazava loatra fa nanoman-tena tamin’ny resaka filatroana, ny fahaizana mandaha-teny, sns, izay narahin’ny coach Michou Ramarobandro akaiky i Cyria Olivine.
Satria miara-dalana amin’ ireo tovovavy hiatrika ny “Miss Monde” ny mpampiakanjo, hisahana manokana ny Miss Madagascar i Lovatsaka K sy Symply By Mi. 20 mahery, eo mantsy ny karazana akanjo takin’ny mpikarakara, amin’ireo hetsika maro hotontosaina any. Nosafidian’ny komity mpikarakara hampiakanjo azy mandritra ny “fifaninanana World designer” kosa i Fenosoa, tanora mpamorom-damaody izay Miss Vakinakaratra, ary nandray anjara ihany koa tamin’ny fifaninanana “Miss Madagascar” farany teo. Hisy ihany koa ny fanomezana entin’ny Miss Madagascar any amin’ny “Gift of charity”, izay karakarain’ny fikambanana Miss Monde hitadiavana vola hanaovana asa soa. Asa tanana Zafimaniry, izay nomen’olon-tsotra tsy nitonona anarana izany.
Miomana tsara mba hibata ny fandresena ny tena tanjon’i Cyria Olivine sy ny komity mpikarakara ny “Miss Madagascar”, ho reharehan’ny firenena. Avo dia avo anefa ny lentan’ny fifaninanana amin’ny maha iraisam-pirenena azy, ka mafy toy izany koa ny fanamby miandry ny Miss Madagascar.
Zo ny Aina