Tanterahina any Mahajanga ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona, ho antsika eto Madagasikara. An’aliny ireo mpampivelona manerana ny Nosy andrasana ho tonga any an-toerana. “Ny mpampivelona, tsy maintsy ilaina amin’ny krizy rehetra” no lohahevitra voizina mandritra ny hetsika. Manome voninahitra ireo maherifo miasa mangina ireo ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mijanona sy mijoro amin’ny asany na mihotakotaka aza ny manodidina ny mpampivelona.
Na amin’ny fotoan’ny ady, na ny areti-mifindra, na ny loza voajanahary dia eo hatrany ny mpampivelona, miatrika, mampiteraka, mamelona. Ny rafi-pahasalamana misy dia laharana voalohany ireo mpampivelona satria tena ara-bakiteny hoe mamelona. Na ny reny miteraka na ny zaza ateraka dia eo am-pelatanan’ny mpampivelona avokoa.
Be herimpo, mitsinjo ny maha olombelona ary miatrika hatrany na anaty krizy aza ny mpampivelona.
Mankasitraka ny mpampivelona ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny ezaka tsy misy fepetra, isan’andro, amin’ny fitiavana sy fahavononana, na amin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza.
Tatiana A