Lehilahy sy vehivavy roa voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, afakomaly. Nitokisan’ny mpampiasa azy nandritra ny telo taona io lehilahy io. Nahatsapa fahabangan’ny entana tao an-trano anefa ny tompon-trano. Nihena tsikelikely ireo fitaovana tao an-tokantrano. Nanjavona hatramin’ny kidoro sy lovia. Nampiahiahy azy rahateo ny fihetsik’io lehilahy mpiasa tao an-tranon’izy ireo io. Niroso tamin’ny fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Natao’ny zandary ny fanadihadiana ka nampanantsoina ilay noahiahina. Nibaboka noho ny asa ratsy vitany io mpiasa io. Nambarany nandritra ny famotoran’ny manam-pahefana taminy fa naka ireo entana tokoa izy. Niaraka tamin’ny tovovavy izy. Nanofany trano tsy lavitra ny toeram-piasany io sakaizany io. Navadiny ho entana fampiasa tao aminy avokoa ireo entana nangalariny tao amin’ny mpampiasa. Niroso tamin’ny fisavana ny trano ny mpitandro filaminana. Sarona avokoa ny entana maro, toy ny vilany efatra, kidoro roa, lambam-baravarana valo, lamba firakotra, hatramin’ny kiraro. Ankoatra ireo, nisy tamin’ny entana very no nomen’ny sakaizan’io tovolahy io olon-kafa. Nosamborina, araka izany, izy telo ka miaraka hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
Tsiferana R.