Olan’ny fahatapahan-jiro : Tsy tokony hitombina eto Madagasikara

«Tsy tokony ho olan’i Ma­dagasikara ny mahakasika ny tsy fahampian’ny angovo sy ny delestazy. Antony, fahatelo aty afrika isika amin’ny fananana ireo loharanom-pamokarana herinaratra. Manampy an’izay, manana ny angovo azo avy amin’ny herin’ny Ma­soandro sy ny rivotra i Mada­gasikara. Mbola manana isika ireo akora ilaina, mpamokatra ny angovo avy any ambanin’ny tany”, hoy ny manampahaizana, ny Dr Rakotoniaina Solofo Hery.
Ny olana ho antsika dia tsy maharaka ny tinady ny tolotra amin’ny resaka angovo. Tsy vitan’ny fanjakana ny mandrindra izay. Tsy mahazaka tena amin’ny famatsiana vola ireo mpamokatra angovo ato anatiny izy. Tsy maintsy mila mpamatsy vola avy any ivelany i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavany. “Eo anefa no mahaboribory vetaveta ilay olana satria ny vahiny tonga dia tsy maintsy mikatsaka tombony aloha”, hoy izy nanohy ny fanazavana.
Manoloana ny olana sedrain’i Madagasikara, ankehitriny, dia mivoy ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola vahiny ny Malagasy manampahaizana sy ny fanjakana ity mpampianatra mpikaroka ny famatsiana herinaratra eny ambanivohitra sy ny angovo azo havaozina ity.
“Soso-kevitra avy aminay manampahaizana dia ny fi­trandrahan’i Madagasikara ny harena voajanahary ananany. Isika dia manana ireo harena ambanin’ny tany maro ilaina amin’ny fiampitana amin’ny filana vaovao momba ny an­govo. Ananantsika ny grafita tsara indrindra eto ambonin’ny tany izay azo hanaovana ba­teria. Mila mahay manararaotra ny varotra ny harena eo am-pelatanana isika. Ankoa­tra izay, ilaina ny fametrahana mazava ny lalàna mifehy azy ireny hanamora ny fifanarahana mba hahazoan’ny rehetra tombony”, hoy izy namarana ny resaka.

Randria

Partager sur: