SOMBIM-BAOVAO

Voahosotra ho tompondakan’ny “Coupe de la Ligue Vakinankaratra”, taranja basikety, ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra sy ny COSPB Analamanga. Fifa­ninanana notontosaina tany Antsirabe, ny 3 sy 4 mey lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy. Laharana faharoa kosa ny Ankaratra Vakinankaratra sy ny Ascut Atsinanana.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fizaram-bondrona ho an’ny “Afrobasket 2025”, ka ao amin’ny “Pot 4” no misy ny Ankoay. Miaraka vondrona amin’i Madagasikara amin’izany i Ounganda, Lybie ary i Rwanda. Ny 8 mey izao kosa no hanaovana ny antsapaka amin’ity fifaninanana ity.
Hotontosaina anio sy rahampitso ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, « ligue des champions 2025 ». Anisan’ny fifanandrinana handeha anio, any Milan Italie, ny fihaonan’ny Inter de Milan sy ny FC Barcelone, ekipa espaniola. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, ny roa tonta nandritra ny lalao voalohany, izay natao tany Espagne, ny alarobia lasa teo.
Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra fa voahosotra ho tompondakan’i Allemagne, ny ekipan’ny Bayern Munich. Tsara ny mampahafantatra fa ity no anaram-boninahitra voalohany azon’i Harry Kane, anglisy lohalaharana ao amin-dry zareo Bavaroa. Tsiahivina fa i Harry Kane, mpilalao mamiratra sy sangany saingy tsy mbola nahazo amboara mihitsy raha tsy ity.

Partager sur: