Tsena iraisam-pirenena: Nidina ho 60 dolara ny vidin-tsolika iray barila

Tsy nitsaha-nidina ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny 15 janoary 2025 teo. Tena manaraka an’izay ve ny eto Madagasikara ?

Nanome toromarika ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), mifandraika amin’ny fampindramam-bola Fec* sy ny FRD** ho an’i Madagasikara. Anisan’izany ny hanarahan’ ny eto amintsika ny fiovaovan’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena. Raha ny tarehimarika ofisialy, nivoaka ny 1 mey teo, nidina ho 59,78 dolara ny vidin’ny 1 barila (= 159 litatra) ao amin’ny tsena Brent, raha 63 dolara ny 25 avrily, ary 67 dolara ny 22 avrily. Mbola 69,15 dolara ny vidiny ny 31 marsa. Izany hoe, nihena 10 dolara ny barila tato anatin’ny iray volana. Raha raisina ny tany aloha, nahatratra 82 dolara ny barila ny 15 janoary 2025, izany hoe, nihena nanodidina ny 20 dolara tao anatin’ny 3 volana.
Raha ny fanadihadian’ny manampahaizana amin’ny solika, mihena ny tinady eo amin’ny tsena miohatra amin’ny tolotra. Atahorana ihany koa ny fitomboan’ny famokarana ataon’ireo firenena mpikambana ao amin’ny vondrona arabo mpanondrana solika Opep. Tsiahivina fa tonga eo amin’ny tsena, izany hoe, azo omena ny mpanjifa, amin’ny volana jona, ny solika vokarina amin’izao fotoana izao. Nanamarika ny teknisianina avy amin’ny gazety boky Again Capital, John Kilduff, fa tsy afaka niaro ny fidinan’ny vidin-tsolika ny vokatry ny Amerikanina. Izany hoe, nisy fiantraikany eo amin’ny filana sy ny fanjifana ny fepetra noraisin’ny filoha Donald Trump, nampiakatra ny haban-tseranana, satria nihena ny famandrihana.

Manakaiky ny tena vidiny ny solitany

Araka ny voalaza etsy ambony, manaraka io onja io koa ny vidin-tsolika eto amintsika, ka inefatra niova izany nanomboka ny janoary 2025. Manodidina ny 200 Ar ny elanelan’ny fanovana, araka ny toromariky ny FMI.
Tsikaritra fa tsy nihetsika ny vidin’ny solitany fandrehitra (2 600 Ar/l) ny janoary, fa niakatra intelo nisesy kosa avy eo, ary efa tafakatra 3 300 Ar ny avrily teo. Nilaza ny tale jeneralin’ny OMH, Raveloson Cydolain, fa tsy mbola tratra ny tena vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, saingy efa kely ny elanelana.
Nisondrotra hatrany kosa ny gazoala, anisan’ny be mpampiasa indrindra eto Madagasikara, indrindra ny fiara mpitatitr’
olona sy entana, na dia mbola manodidina ny 5 000 Ar/l aza, raha 5 320 Ar ny lasantsy SP95.
Raha ireo no aravona, tsy maintsy arindra ny vidin’ireo karazan-tsolika telo ireo, ka ny solitany fandrehitra no ezahina hatao manakaiky ny tena vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

4500 Ar ny 1 dolara

Na izany aza, singa lehibe anisan’ny iankinan’ny vidiny, an­tsinjarany, ampiharina amin’ny mpanjifa ny sandam-bola. Marihina fa ny dolara no ampiasaina hifanakalozana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, amin’ny solika. Ny hita, mahazo aina kely ny Ariary miohatra amin’ny dolara nandritra iny volana avrily iny. Efa nahatratra 4 637 Ar ny 1 dolara ny fiandohan’ny avrily, ary tafidina ho 4 464 Ar ny 30 avrily. Izany hoe, mbola manodidina ny 4 500 Ar ihany ny salanisa fiovaovany hatreto.
Niaka-danja kosa ny euro, efa tafahoatra ny 5 000 Ar. Nisanda 5 044 Ar ny 30 avrily, ary efa tafakatra 5 065 Ar ny 11 avrily, araka ny antontanisan’ny Banky foiben’i Mada­gasikara.

Drafi-panarenana
ny Jirama

Ankoatra ny fampiharana ny tena vidin-tsolika, mifandraika amin’io fepetra napetraky ny FMI io koa ny fampihenana ny fanampian’ny fanjakana ara-bola ny orinasa Jirama. Ao anatin’izany ny famoahana ny Drafi-panarenana an’ity orinasam-panjakana ity, ka tafiditra ao ny drafitrasa hamahana ny olana
amin’ny fandaniana na fampiasana solika hanodinana ireo milina mamokatra herinaratra. Efa maro ny tetikasa napetraka iarahana amin’ny orinasa tsy miankina, toy ny fanitarana ny famokarana angovo azo havaozina avy amin’ny herin’ny masoandro. Eo koa, ny tetikasa hamokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano, toy ny any Volobe. Eo am-pamolavolana ny ha­natanterahana ny tetikasa Sahofika koa ireo tomponandraikitra. Efa mandeha ny fifampidinihana amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena.

 

*FEC : Facilité élargie de crédit
** FRD : Facilité pour la résilience et la durabilité

Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: