Tsena iraisam-pirenena: Tombanana hidina ny vidin’ny akora fototra

Tombanana hidina ny vi­din’ny akora fototra maneran-tany hatramin’ny taona 2026, vidiny izay anisan’ny ambany indrindra tao anatin’ny enin-taona farany. Vinavina navoakan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny tatitra “Commodity Markets Outlook”, nivoaka ny herinandro teo, izany. Anisany antony hampihena io vidin’entana io ny fihenan’ny harinkarena maneran-tany, ny fitomboan’ny famokarana solika ary ny fiovan’ny rafitra amin’ny tolotra.
Hidina 12 % ny vidin’entana amin’ny ankapobeny amin’ ity taona ity, ary hidina 5 % ihany koa ny taona 2026 raha ny tombana nataon’ny teknisiana avy ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Nambaran’ ireto mpandinika ireto fa manamarika ny faran’ny fidanganan’ny vidin’entana nateraky ny Covid-19 sy ny ady any Okraina io fihenana io”. “Na dia manampy amin’ny fampihenana ny fidanganan’ny vidim-piainana aza izany fitontonganana izany, mipetraka kosa ho ambana ho an’ny toekaren’ireo firenena andalam-pandrosoana, izay mpanondrana akora fototra avokoa ny roa ampahatelon’izy ireo”, hoy ny fanazavana.

Toekarena
Tombanana hidina hatramin’ny 60 dolara ny barilan’ny solika Brent amin’ny 2026, raha hidina mihoatra ny 30 % ny vidin’ny arina mandritra ny roa taona. Mavesatra ny fihenan’ny tinady maneran-tany, indrindra noho ny firoboroboan’ny fiara elektrika izay efa mahatratra ny 40 % amin’ny varotra any Chine, tamin’ny taona 2024.
Hidina ihany koa ny vidin-tsakafo, izay tombanana hatrany amin’ny 7 % amin’ny taona 2025. Na izany aza, hoy hatrany ny Banky iraisam-pirenena,“tsy ho ampy hanakanana ny firongatry ny tsy fanjarian-tsakafo io fihenana io, izay hihatra amin’ny olona hatrany amin’ny 170 tapitrisa, any amin’ny firenena 22 ma­refo”.

Henintsoa

Partager sur: