Lasan’ny ekipan’ny UBM Analamanga ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy “senior”, lehilahy. Mbola noporofoin’i Zigle sy i Tianakely indray ny maha andrarezina azy ireo. Lasan-dry zalahy ny lelavola 2 tapitrisa Ar sy ny amboaran’ny klioba.
Tontosa soa aman-tsara tany Antsirabe, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Nandrombaka izany ny ekipan’ny UBM Analamanga, teo amin’ny lehilahy ary ny SBA Matsiatra Ambony, ho an’ny vehivavy. Anisan’ny nahaliana ny mpankafy ity taranja ity ny teo amin’ny “senior”, lehilahy. Adin’ny samy ekipan’ny ligin’ Analamanga mantsy ny famaranana. Nifandona tamin-dry Zigle sy Tianakely ary Luc (UBM) ny klioban’ny PCT, nahitana an-dry Tafita sy Côbra ary Micka.
Tamin’ny isa 13 no ho 5 no nandresen’ny UBM. Mbola noporofoin’i Zigle sy i Tianakely tamin’ity ny maha andrarezina azy ireo. Niraradraraka ny “carreau”, nataon’izy mirahalahy izay nampihoraka ireo mpijery tonga maro na dia efa alina aza ny andro. Niezaka namaly ihany i Tafita saingy tsy nahafeno ilay fanafihana i Côbra izay hita ho tsy tafiditra tao anaty fifaninanana.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ireo fampivondronana voalohany hifantenana izay ho anaty ekipam-pirenena izy telo mirahalahy voalohany tamin’ity.
Ho an’ny sokajy vehivavy, tompon’ny amboaran’i Madagasikara ny ekipan’ny SBA avy any Matsiatra Ambony, nisy an’i Tense sy i Felana ary i Tahiry. Lavon’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 13 no ho 2, ry Salima sy Vatosoa ary Sahala.
Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy “junior” ny klioban’ny C2BA, nahitana an’i Paingotra sy i Clarito ary i Fanomezantsoa, nanilika an’i Tsiresy, Daddy, Naina, mpilalaon’ny UBM, tamin’ny isa 13 no ho 3. Lasan’ny C2BA, notarihin’i Ndrema, Dadou, Raniry ny teo amin’ny “vétérans” rehefa nandavo ny ekipan’ny CBAF, nisy an’i Mbolanamana, i Mamy ary i Frah, tamin’ny isa 13 no ho 10.
Tompondaka