VAOVAO TAMBATRA

Miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Tsy zakan’ny fahefa-mivi­din’ny Malagasy ny zava-misy na dia manaraka ny vidin-tsolika tena marina aza isika. Marihina fa tafakatra 5 510Ar/l ny lasantsy raha toa ka 5 320Ar/l izany teo aloha. Sandaina 3 230Ar/l ny solika fandrehitra raha
3 030Ar izany. Niakatra ho 5 170Ar/l ny gazoala raha novidiana 4 970Ar/l nandritra ny volana avrily.

Manao ranolava ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mihena ny haavon’ny rano ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra Andekaleka ka mahatonga ny delestazy isan’andro. Maharitra ora roa isaky ny fanapahana izany mba hampifanaraka ny famokarana misy, saingy miantraika sahady amin’ny fiharian’ireo miasa tena sy miankin-doha amin’ny fampiasana herinaratra izany.

Hiasa mandritra ny roa taona eto Madagasikara ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney dimy vaovao. Hitondra ny fahaiza-manaony sy hanohana ara-teknika ny sehatra isan-karazany eto amintsika izy ireo ho fampandrosoana ny fiarahamonina sy ny famokarana. Hianatra teny malagasy sy hiofanana amin’ny fomba fiaina andavanandro eto Madagasikara mandritra ny iray volana sy tapany izy ireo ka hamonjy ny toeram-piasany avy aorian’izay.

Partager sur: