Notanana atao andrimaso eny anivon’ny zandarimaria ireo dimy lahy nandratra telo mianaka vokatry ny ady tany tao amin’ny fokontany Mahazina, kaominina Ilaka Centre, distrikan’Ambositra, ny alatsinainy maraina tamin’ny 9 ora. Nitrangana disadisa teo amin’ ny fianakaviana roa samy hafa monina anatin’io fokontany io. Nijinja vary teny an-tsaha ilay fianakaviana iray. Hiadivan’izy ireo amin’ny fianakaviana hafa anefa io tany io. Raikitra ny fifamaliana ka niafara tamin’ny fandratrana. Telo mianaka naratra mafy voafiran’ny antsy. Voa mafy teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray 61 taona. Nahare ny zava-nisy ny ben’ ny Tanàna ao an-toerana ka niantso mpitandro filaminana hidina hijery ifotony sy handamina ny raharaha. Nentina namonjy ny hopitaly CHRR Ambositra ireo naratra mafy. Nokarohina ireo nahavanon-doza. Olona dimy voasambotra. Voalazan’ny nanatri-maso fa nandray anjara tamin’ny fandratrana ireo telo mianaka izy ireo. Efa nifanolanan’ireo fianakaviana roa ireo hatry ny ela ilay tanimbary.
Tsiferana R.