Banja malalaka

 

Ohatra ny mafampana hafahafa izany ilay toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao. Inona ny zava-misy marina any ambadika any? Izay no fanontaniana mivoaka am-bavan’ilay Malagasy manara-baovao. Tsy mahasakana azy hanaraka ilay raharaha politika ny fahantrana mikiky ny andavanandrom-piainany.
Hatreto, tsy misy mahay izay zava-dalina fonosin’ireto karazana fanambarana miseholany etsy sy eroa. Mbetika fotsy, mbetika mainty, kanefa dia sera mivoaka am-bavan’olona iray ihany. Toa mihaavo lenta sadasada izany ilay tontolo politika eto amin’ny tanàna. Tsy hay mazava hoe iza no manao inona?
Toa mandry an-driran’antsy izany ny vahoaka. Samy miketrika avokoa ny henjana rehetra. Misy ny misafidy ny hangina. Misoko miadana toa ron-gisa. Ny sasany mody fanina, miseho ho tsy mahalala. Ny hafa indray misintona lakolosy, mampiady angely fotsiny. Ankoatra ireo, misy miandry fotsiny kitapo latsaka na mitady hirika hidirana, hakahakana kely izay azo alaina.
Mizotra mankaiza izany ny raharaha? Mibosesika an-tsaina ireo karazam-panontaniana noho ny ahiahy tsy ihavanana. Manomboka rahateo ny lalao fanorona amin’ny politika. Mipoitra indray ny tsy fifampitokisana isan-karazany. Ny mpiray latabatra indray no mifampiandriandry kendry tohina. Mila malina hatrany!
Saro-pady anefa ilay Madagasikara, mila firaisan-tsaina sy firaisam-po, na amin’ny vahoaka na amin’ny mpitondra. Tsy azo atao ambanin-javatra izay fampitoviana ny tadin-dokanga izay. Mila mifanohana sy mifanampy ny Malagasy tsivakivolo. Na samy mpitondra, na ny olona entina tsy ankavaka io. Tsy tokony hisy ny volo mpanoha-randrana.
Mitaky fitiavan-tanindrazana io! Tsy baikoin’ny fitiavam-bola aman-karena sy ny voninahitra. Mila mahay mampirina ilay fitiavantiavan-kely ny mpiantsehatra rehetra. Malalakabe ny banja azo ilalaovana. Mbola ho ela ny hananana azy ka mila ny hery velona rehetra miara-mirona ho an’ny fitiavan-tanindrazana.

r.r

Partager sur: