Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, omaly, ilay sinoa, mpamily, nahafaty olona efatra teny By-Pass. Lozam-pifamoivoizana nitranga ny alin’ny faha-30 avrily.
Enina andro taty aorian’ ny nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy akaikin’ny kianja Elgeco plus By-Pass, nahafatesan’olona efatra, ny 30 avrily lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben Tsiafahy, omaly, mandra-piandry ny fitsarana azy ilay teratany sinoa, nihavian’ny loza. Nampakarina fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana, omaly ihany izy io, taorian’ny famotorana nataon’ny polisy misahana ny fanadihadiana azy. Naharitra ora maro ny fakana am-bavany azy teny an-toerana. Nigadona teny amin’ny fitsarana ity farany tamin’ny 10 ora maraina ary tamin’ny
4 ora hariva vao nivaly ny fampanoavana. Raha toa ka efa teny an-toerana ireo fianakavian’ny niharam-boina tamin’ ny 9 ora maraina. Anisan’ny vesatra hanenjehana azy ny vono olona tsy niniana natao sy fandosirana taorian’ny tranga. “Isaorana ny eo anivon’ny fitsarana tamin’ny fandraisan’ andraikitra ka nampiditra am-ponja ilay teratany sinoa”, hoy ny rahalahin’ny maty, Rajaonarison Mamy Clary, raha nanontaniana, tetsy amin’ny fitsarana Anosy. “Mino izahay fa tsy tokony hisy famotsorana mihitsy ny raharaha tahaka izao ary andrasana ny tohin’ ny raharaha”, hoy hatrany izy.
Fiara telo nifandona
Tsiahivina fa fiara telo samihafa nifandona nandritra io lozam-pifamoivoizana tetsy By-Pass io. Olona efatra tao anaty fiara Clio izay voadona mafy no niara-namoy ny ainy. Nihavian’ny loza ny fiara Hyundai I30, avy any Iavoloha nizotra nianavaratra. Nentina teratany sinoa iray, voalaza fa mamo sy nandeha mafy io fiara io. Nisongona fiara teo alohany izy ka nanitsy sy nifandona mafy tamin’ny fiara Renault Clio nifanena taminy. Vokatry ny fifandonana, tafahodina io fiara io ka nandona fiara 4X4 nandeha taoriany. Nivarina tany anaty rano kosa ilay fiara Hyundai I30 taorian’ny fifandonana. Fiara avy any Ankorondrano hihazo an’Iavoloha ilay fiara Clio voa mafy io. Handeha hanatitra ny mpiara-miasa aminy izy no izao niharan-doza izao. Olona dimy ny tao anatin’ny fiara Clio tamin’ io fotoana io. Olona telo mianaka niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy roa lahy. Maty teo no ho eo, terin’ny moteran’ny fiara, vokatry ny hamafin’ny fifandonana ny raim-pianakaviana 49 taona, namily io fiara io. Novonjena haingana tany amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha avy hatrany ireo telo naratra mafy ambiny. Namoy ny ainy teny an-dalana hitondrana azy tany amin’ny hopitaly ilay renim-pianakaviana. Maty ny ampitso maraina teny amin’ny hopitaly ilay zazavavikely (13 taona) zanak’izy mivady ireo. Namoy ny ainy adiny iray taorian’izay ny lehilahy hafa niaraka tamin’izy ireo. Andrasana ny tohin’ny raharaha, izay hangatahin’ny fianakaviana onitra amin’ity nahavanon-doza ity.
Mino