FANTINA sy FINTINA

Tsy namaly firy ilay ampamoaka nambaran’ ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Tsimbazaza, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Nambarany fa efa namaly izany ny minisiteran’ny Fiarovana. “Maromaro ireo anarana voatonona ao ka efa miroso ny fanadihadiana lalina momba izany”, araka ny nambarany.
Nitaky ny tsy hampiandrasan’ny minisitra ora maromaro amin’ny handraisana azy any amin’ny biraony ny solombavambahoaka Raholdina Naivo. Nohitsiny fa hanao tatitra amin’ny praiminisitra izy ireo raha misy ireo minisitra mitavozavoza sy miavonavona. Tsy hisy kosa anefa ny fanangonan-tsonian’ny depiote hanonganana mpitondra, raha ny filazany.
Efa 15 taona mahery nitantanana ny mpitondra saingy mifanohitra hatrany ny ambarany, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim, Randriamasinoro Ny Riana, teny Tsimbazaza. “Tsy misy azo raisina ny nambaran’ny filoha farany teo. Miteny izy fa hijery ny sosialim-bahoaka, mitontongana izy izay… Rehefa hoe mandroso, mihemotra isika izay”, hoy izy.
Niantso ireo depiote namany i Gascar Fenosoa mba hisolo vava ny vahoaka. “Aoka isika tsy hisolo vava ny antoko na « patron » politika antsika mandritra ny fivoriana ara-potoana izao”, hoy izy, teny Tsimbazaza. Nentaniny ireo namany hiverina any amin’ny vahoaka ary hiady manoloana izao fahasahiranana lalina lalovan’ny firenena izao.

Partager sur: