Efa tena atomotra ny fanadinam-panjakana mifanesy, amin’io volana jona io. Manao fanairana ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana, Soafilira Princia, fa tsy mbola voatendry izay ho talen’ny fiadidiam-pampianarana any an-toerana hatramin’izao.
Tomponandraikitra eny ifotony amin’ny fandrindrana ny fanadinana izy ireny. Mitaintaina ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpianatra amin’ny mety ho fizotry ny fanadinam-panjakana any an-toerana satria tsy misy lehibe mpitarika.
Efa nisy ny antso sy fitakiana maro nataon’ny ray aman-dreny, ny Sojabe, ny governoran’ny faritra, ny solombavambahoaka ary indrindra ny filohan’ny Antenimierampirenena lefitra misahana ny faritanin’i Mahajanga, saingy tsy nisy
setriny izany.
“Porofo fa tsy ny fanapahan-kevitra mihazohazo no mamaritra ny fahombiazana fa ny finiavana sy ny ezaka mba ho tafita”, hoy ny tomponandraikitra manao fanairana. “Ny fahendrena sy ny fahavitrihana tsy andrasana fanendrena fa aseho amin’ny asa sy vokatra”, hoy ny fampaherezana ireo mpianatra.
Tatiana A