Fiatrehana ny loza voajanahary : Tafapetraka ny tetikasa IRFF

Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fiantohana sy ara-bola, hitondra vahaolana ara-bola sy vokatra fiantohana mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana. Ireo ny tanjon’ny tetikasa fiarovana sy faharetana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro (IRFF). Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud). « Hanamafy ny fahafahan’ny firenena miatrika ny loza voajanahary amin’ny fanamafisana ny lafiny ara-bola sy fampahafantarana ireo vokatra misy eny amin’ireo tranom-piantohana sy manarina ny fahavoazana ny IRFF » hoy ny sekretera jeneralin’ny MEF, Ramanampanoharana Andry. Notsindriny manokana fa tohin’ny rafitra iraisam-pirenena « African Risk Capacity » (ARC) ny IRFF, entina hanampiana ny mponina marefo sy hanamafisana ny faharetan’ny toekarena. Noho izany, hampifandray ny tranom-piantohana amin’ireo niharam-boina na mety ho voakasik’izany ny tetikasa IRFF. Tanjona ny hitondrana vokatra amin’ny alalan’ireo orinasa fiantohana izay hiandraikitra ny fanorenana. Marihina fa tetikasa iraisam-pirenena misehatra amin’ny firenena miisa 39, izay ahafahan’i Madagasikara misitraka traikefa sy vahaolana mahomby avy any ivelany ny IRFF. Hanohana ihany koa ny paikadim-panjakana ho amin’ny fampandrosoana maharitra.

Henintsoa

Partager sur: